Fony ianao zazavavy tsotra Nitondra Kitapo Nanao tablier(bis) Iny ianao fa namonjy lera Tsy nitaveravera Fa sao tezitra i Mera (bis) Saika diso hendry Tsy nilalao afa tsy Ireny saribakoly ireny Nefa ny saribakoly Tsy mamaly fitia (bis) Tonga ary aho, tonga aho hitantara Ilay hatsaran' Ny raozy vao maraina(bis) Nampianariko anao Koa ny nankafy, iry lanitra iry Rehefa maty ny Masoandro (bis) Nony tonga ny hariva Ianao nanisa Kintana Izaho nibanjina ny tany Izaho somary miala Ianao miantso hoe avia (bis)
Du même artiste
Zakaranda
Ilay akanjo fotsy
À propos de la chanson
Accord de
Vous pouvez changer d'instrument (guitare ou piano) dans les réglages - la roue crantée dans la barre de menu.